You are here: home > Tononkira > Njakatiana

Tsy haiko ny tsy hitia anao (Njakatiana)

https://tononkira.serasera.org/hira/njakatiana/tsy-haiko-ny-tsy-hitia-anao

TSY HAIKO NY TSY HITIA
    Izay tia atao hoe adala
Fa ny olon-kendry miala
Kanefa dia tsy ho haiko
Ny tsy hitia anao
Hita izao fa hoe fahotana
Sy fandikana lalàna
Kanefa dia tsy ho haiko
Ny tsy hitia anao

    Tahaka ny rano an’ony
Izay tsy maintsy hivarina
Any an-dranomasimbe
Toy izay koa tsy hay intsony
Ny hanohitra izay tendry
Tsy maintsy aleha
Koa raiso ny tanako
F’izay ombanao dia ombakotononkira.serasera.org
Satria tsy mety haiko
Ny tsy hitia anao

    Tahaka ny rano an’ony
‘Zay tsy maintsy hivarina
Any an-dranomasimbe
Toy izany koa tsy hay intsony
Ny hanohitra izay tendry
Tsy maintsy aleha

    Tahaka ny rano an’ony
‘Zay tsy maintsy hivarina
Any an-dranomasimbe
Toy izay koa tsy hay intsony
Ny hanohitra izay tendry
Tsy maintsy aleha
Koa raiso ny tanako
F’izay ombanao dia ombako
Satria tsy mety haiko
Ny tsy hitia anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Njakatiana
Mpamaky : 207
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mariusnjars
Tamin'ny : 17/09/2019 18:25:37
ID : 12078

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo