Kiaky ny manina (Version Njakatiana) (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha latsaka ny orana
Izany havako izany
Dia izaho hanimbolo
Hanembona anao.

Ny filatsaky ny orana
Ao an-tafotrano
Firitsoky ny rivotra
Ao an-tratrako ao.

Raha latsaka ny orana
Izany havako izany
Dia izaho hanimbolo
Hanembona anao.

Toa mitondra tsiahy
Nandreraka hatrany
Avandra ho avy
Hanimba ny felana.

*Ny feo mitoloko
Toa reko sahady
Ny kiaky ny manina
Toa miantsoantso lava. (x2)

.....

Mba aiza ianao izao
Zany olon'izany
'Lay olo-nandalo
Toa lasa nandao.

Ranomaso tsy ho latsaka
Tsy ho latsaka intsony
Avandra ho avy
Hanimba ny felana.

Any ianao ilay nandainga
Ilay nitantara
Ho avy foronina
Ho avy tsy hisy.

Ny fotoana ho lany
Ny fiainako ho avy
Ho avy haninona ôh!!
Toa manjombon-dava.

Ny feo mitoloko
Toa reko sahady
Ny kiaky ny manina
Toa miantsoantso lava!!

Ny feo mitoloko
Toa reko sahady!... ôh oôh!!
Ny kiaky ny manina
Toa miantsoantso lava.

Raha latsaka ny orana
Izany havako izany
Dia izaho hanimbolo
Hanembona anao.

Ny filatsaky ny orana
Ao an-tafotrano
Ny kiaky ny manina
Toa miantsoantso lava.

Ôh!!
Ny kiaky ny manina
Toa miantsoantso lava.

Ny kiaky ny manina a a ah!!!
.....
.........
.....
Tsaroanao ve?
Tadidinao ve?
.....
.........
.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 2709
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 11/01/2021 22:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1624