Izao re no izy (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nampoizinao ny androany
Gaga kely angamba ianao
Hoe misy famatorana ihany
Izaho izao milaza aminao

Zao re no izy,tiko ianao
Tsy fahatokiana ahy 'ngamba tsisy
Fa raha ianao,ianao mihintsy ianao
Mitsiriritra aho hatramin'izao

Namana tsotra tokoa
Ny fiarahana hatramin'izay
Ataoko fa tsy sarotra kooooooooooa
Raha mba fitiavana indray,ka...


Zao re no izy,tiko ianao
Tsy fahatokiana ahy 'ngamba tsisy
Fa raha ianao, ianao mihintsy ianao
Mitsiriritra aho hatramin'izao



Efa ela anie,no efa naniriko anao
Sady izaho ange, tsy te hamitaka anao
'Zay hampanantenaiko re, foiko ho anao,
Ho anao
Fa raha 'zay tahotrao very,
'zaho tsy hanimba anao

Efa ela anie, no efa naniriko anao
Sady izaho ange,tsy te hamitaka anao
'Zay hampanantenaiko re, foiko ho anao,
Ho anao
Fa raha 'zay tahotrao very, 'zaho tsy hanimba anao


Tsy nampoizinao ny androany
Gaga kely angamba ianao
Hoe misy famatorana ihany
Izaho izao milaza aminao

Zao ré no izy,tena tiko ianao
Tsy fahatokiana ahy 'ngamba tsisy
Fa raha ianao,ianao mihintsy ianao
Mitsiriritra aho hatramin'izao

Hey


Efa ela anie,no efa naniriko anao
Sady izaho ange,tsy te hamitaka anao
'Zay hampanantenaiko re, foiko ho anao,
Ho anao
Fa raha 'zay tahotrao very, 'zaho tsy hanimba anao


Efa ela anie,no efa naniriko anao
Sady izaho ange,tsy te hamitaka anao
'Zay hampanantenaiko re,foiko ho anao,
Ho anao
Fa raha 'zay tahotrao very, 'zaho tsy hanimba anao

Fa raha 'zay tahotrao very, 'zaho tsy hanimba anao (miv.hatram farany)
--------
Rohy:
Hevitra
noordallo ( 10/01/2016 17:11)
Mba ahitsiho kely azafady indrindra ny Mpihira fa tsy mety voahova nefa efa naverimberina....tokony ho Njakatiana dia nataoko Rebika,azafady indrindra,arahina fialantsiny tompoko!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 5077
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : noordallo
Daty : 11/01/2016 14:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715