Inona ary ity (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tadidio fa rehefa mba ohatr'izao ianao
Zary toa mila ho voasakana izay atao
Sanatria tsy ianao no naman'ny tsy mahay
Fa dia misy mialona fotsiny amin'izay

Ataovy hoe hazo efa lava ny tenanao
'Nefa ao ireo rivotra hanimba anao
Efa ireo no efa tsy mahay miaina ery
Ka voaterin'ny sainy efa bado mba ho tsy tia

Mialona izy fa ianao mahay e
Tsy zakan'ny sainy fa mahamay e e
Mialona izy fa ianao mahavita e
Tsy tantin'ny fony f'izy koa tsy hita e e

Inona ary ity kivikivy ity e
Mahereza ry Namako O, dia tohizo
Inona ary ity kamokamo ity e
Mazotoa f'io anie tsy kizo
Inona ary ity kivikivy ity e
Mahereza ry Namako O, alefaso
Inona ary ity kamokamo ity e
Mazotoa ts'isy hoe andraso

Na dia misy zavatra kely mba anananao
Alahelo efa ohatr'izany no ao aminy ao
Raha misy hatsaram-bikanao koa
Mahatonga azy ho romotra ho ratsy loha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 5749
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/04/2015 00:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712