You are here: home > Tononkira > Njakatiana

Anatra (Njakatiana)

Androany ianao raha anao ankaso
Handoro mahamay toy ny afo
Hampisy ratram-pon-dranomaso
Hisaino fa ndrao dia ho vidiana lafo
Tsisy afaka haminany izay ho avy
K'ilaza hoe tsy ho lo ny mosavy
Fa samy ho tahina eny avy o
Dia eo isika mahita azy

REF :
Iny hono ianao, fa tsisy asa loha
Navanon-doza nefa dia milamim-po
Ny alahelon'ny hafa anie tsy ho zakanao
Fa tsiny mety hanody ao aoriana ao
Ka aza mba manao ratsy ihany
Fa mbola boribory anie ny tany
Ô! Misy koa izany Andriamanitra izany
Tsy maintsy hatraotrany indray androany

Misy amin'ireo fatra-panambaka
Tsy nety vanona, tsy nitraka
Hay mila vonjy tami-voambaka(tamin'ny voambaka)
Dia teo izy no afa-baraka
Izao re no mba tiako ambara
Maninona raha mTsiky dia ampyanao ny tsara
Fa samy ho tsarain'ny tantara o
Tsy aleo ve ho tsara fiafara

REF :
Fa tsy hoe iny hono ianao, fa tsisy asa loha
Navanon-doza nefa dia milamim-po
Ny alahelon'ny hafa anie tsy ho zakanao
Fa tsiny mety hanody ao aoriana ao
Ka aza mba manao ratsy ihany
Fa mbola boribory anie ny tany
Ô! Misy koa izany Andriamanitra izany
Tsy maintsy hatraotrany indray androany

Fa tsy hoe iny hono ianao, fa tsisy asa loha
Navanon-doza nefa dia milamim-po
Ny alahelon'ny hafa anie tsy ho zakanao
Fa tsiny mety hanody ao aoriana ao
Ka aza mba manao ratsy ihany
Fa mbola boribory anie ny tany
Ô! Misy koa izany Andriamanitra izany
Tsy maintsy hatraotrany indray androany
Tsy maintsy hatraotrany indray androany
Tsy maintsy hatraotrany...

Mpihira : Njakatiana
Mpamaky : 450
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rasarb
Tamin'ny : 22/04/2021 20:44:00
ID : 13444

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo