ZANAKA ADALA (Nathan Pierre)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro irery aho tsy nisy Anao
Niaina ny adalana sy tomany
Voafitak'izao tontolo izao
Ka nandao Anao ry Ray
Tany alavitra any aho Tompo ô!!
Irery tsy nisy niahy
Tratra aho dia tsisy mpiahy
Very lalana tanteraka

Ref:
Hiverina Aminao aho Ray
Tefeo, Hanjakao ny fo
Hanao izay Sitrakao aho Ray
sy hanompo Anao (x2)

Soa fa teo Ianao niandry ahy foana
Tsy nanadino, tsy nanary
Nandray ahy indray an-tranonao
Inty aho ilay very ka hita indray
Tsy handao intsony ny Lapanao
Ka toa Anao hatrany hatrany
Hitoetra Anilanao eo foana aho
Eo no tiako hisy ahy

Ref:
Hiverina Aminao aho Ray
Tefeo, Hanjakao ny fo
Hanao izay Sitrakao aho Ray
sy hanompo Anao (x2)

Ray ô!! Efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho
Ka tsy mendrika ny atao hoe: Zanakao intsony
Androany aho, raiso indray
Fa hiverina aminao, hiverina Aminao aho Ray

Hitoetra Anilanao eo foana
Hiaino Anao hatrany hatrany
Hanao izay Sitrakao aho Ray
sy hanompo Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nathan Pierre
Vangy : 1549
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : deraxchanteur
Daty : 29/01/2018 10:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783