Nenina (Naj & N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isa-tsegondra isa minitra
toa mahatsiaro anao foana aho
mahatsiarotsiaro
ireo rehetra efa natao
mahatsiaro anao mitsiky rehefa iny aho ka mianiany
ilay mpanafosafo ahy rehefa latsaka tomany
fa androany
matsapa tena banga fa nilaozan'olo-tiana
anio vao tonga saina
tsy afaka hiverina any aoriana fa
boto fisaina loatra mikôzy hoe sipa eran'ny tanàna
tsy kôpy hoe hafa ny manana azy
ka nanesinesy ny adalana
eto ampandriana aho kivy
tsy mahita torimaso
vao mahita ny sarinao aho dia
manganohano ny masoko
raha film ny tantara dia tsy nisy happy ending
fa raha zay moa ilay anjara
soava dia fa tsy maninona
fa ifonako aminao izay rehetra teniko nandratra
ekeko hoe mora ny hanavao fa hafa ihany ilay nahazatra
izao may ny afo natsangana ka voatery hifandao
na sarotra aza ilay hisaraka sy hikôzy hoe mandrampihaona satria

Fiv:
Toa nofiko
ilay tantara taloha
tsy nampoiziko ianao no handratra ilay foko mbola tia
ka aza omenao tsiny aho fa
tsy zakako intsony
mba miangavy aminao
ireo lasako avalony

Izay rehetra vitako hatrizay
ifonako aminao
miandry miandry foana aho
hoe ho voavelanao
fa be ireo adalana
be ireo ditra natao
fa androany izaho tonga eto
ka miangavy aho avelao
fa izaho aloha mino
hoe any ny andro hoe any ny taona
inoako foana hoe fa isika roa ity
mbola hiaona
iriko raha hiverina ireo tantarantsika taloha
ka ho atsaraina fa tsy sanatria ho tohizana akory
dia izaho tsy mino
raha hoe ianao no tsy ahatadidy
fa niainanao ny sarotra
niaretanao ny mangidy
ekeko hoe izaho no diso
ka miala tsiny re
ny hanao izay ampijaly anao tsy ataoko intsony
fa ankehitriny izaho mahita
hay ity foko latsam-paka
ka mifona aho tamin'ireo ditra izay nataoko ka nandratra
ny ankoatranao tsy ilaiko f'efa vonona ho anao
fa fiangaviana ihany ny ahy iny ka asakasakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Naj & N-mir'o
Vangy : 873
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 17/08/2019 10:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733