Mba marina anie 2.0 (Mr Sayda (Misié Sayda))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa efa ela loatra angamba ny niandryOtran'ny miandry vola @CNAPS
Toa isak'alina tsy tafandry mandry
Aleo hialako sao Collapse
Fanantenana miha manify
Ianao kosa efa dify
Nanantena tsikitsiky any aho eh
Ilay zah toa tsy sarotiny sy nanantena potiny
Ninianao nararaotina aho hoe "Mba marina anie"
Teny amorony aho ka tena mbola tena babo oh
Ianao natopatopan'ny onja hiampita rano oh
Ianao ve hanadino ny akoho tao an-trano oh
Fa sao dia bedy @zany ehh
REFRAIN:
Fa efa ela loatra angamba ny niandry eh
Rehefa tsy ho avy dia mampamangy ah ( X 2 )
Raha tsy manaiky ianao tsy afaka hanery anao anie
Ho tohizako mahitsy foana ny làlako eh ( X2 )
Fafao eh, ny anarako fafao eh
Fafao eh, ny momba ahy fafao eh
Fa tena tia anao ah 'nefa zany efa taloha,
Ho havadiko ary ny pejy ka tsy ataoko hampiasa loha
Ho dorako ary ny boky, 'zay mombamomban-droky
Anatin'ny Facebook ehh, oh no no Ameza eh
Fa ifaliako zay ho anjarako eh
Na tsy hitovy @nao mihitsy ry malala
Zah koa tofoka efa manomboka leo
Raha mbola hiandry anao mety ho lasa adala
Tolorako olon-kafa raha toa ka tsy ho anao ny foko
Firy taona niandry anao nitomany nitoloko
Nanantena foana anao fa voafilafila
REFRAIN:
Fa efa ela loatra angamba ny niandry eh
Rehefa tsy ho avy dia mampamangy ah ( X 2 )
Raha tsy manaiky ianao tsy afaka hanery anao anie
Ho tohizako mahitsy foana ny làlako eh ( X2 )
Fafao eh, ny anarako fafao eh
Fafao eh, ny momba ahy fafao eh.
--------
Lien: https://tononkira.serasera.org/hira/mr-sayda-misi-sayda/mba-marina-anie-2.0
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Mr Sayda (Misié Sayda)Visites : 6197
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : niainarahadra2019
Date : 06/12/2019 13:12
