Tena tiako ianao (Mamina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manaiky aho malala manomboka androany
Tena tia anao fa tsy mihanihany
Tsy hampanantena kintana, na volana ho anao
Fa ny foko no omeko izao dia izao.

Na sarotra aza ny ady mbola ho aleha
Ataoko tsara fatotra ny kofehy
Ka sanatria raha hoe hivaha, n'inoninona lalovana a!
Tena tia anao aho fa aza manahy.

Raiso ny tanako
Fa ianao no anjarako
Na mangidy na mamy
Dia hiroso hatrany, malala ôh!

Na iza hanakana, na koa hanakona ny maso
Tsy misy atakaloko anao
Na anaty oram-baratra, na fingana ankaso
Ho eo foana hiaro anao.
Hiaina fahasambarana tsy takatry ny saina
Hamirapiratra vao maraina
Malala ôh!, tena tiako ianao.

Faniriako efa hatrin'ny ela anie ny ho..ho tantananao
Ity foko tsy mahay manafina fa 'zah..koa tia anao
Raiso ny tanako
Fa ianao no anjarako
Na mangidy na mamy
Dia hiroso hatrany, malala ôh!!

Na iza hanakana, na koa hanakona ny maso
Tsy misy atakaloko anao
Na anaty oram-baratra, na fingana ankaso
Ho eo foana hiaro anao.
Hiaina fahasambarana tsy takatry ny saina
Hamirapiratra vao maraina
Malala ôh!, tena tiako iana..a!ah!!!

....

Ôh!ôôôh!!!
Na iza hanakana, na koa hanakona ny maso
Tsy misy atakaloko anao
Na anaty oram-baratra, na fingana ankaso
Ho eo foana hiaro anao!!
Hiaina fahasambarana tsy takatry ny saina
Hamirapiratra vao maraina
Malala ôh!, tena tiako ianao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mamina
Hits : 642
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 24/07/2025 03:51
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0923