mendrika ianao(medley) (Mahandry Raherivahatr'aina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tompo o masina ny fanatrehanao

eto ianao , manatrika anay
miankohoka aho, mitsaoka anao
eto ianao, mihetsika amin-kery
miankohoka aho, mitsoka anao

fanilo fahazavana, fahagagana
fanantenana ho anay
izay indrindra ianao (*2)

ho an'ilay mipetraka eo ambinin'ny seza fiandrianana
sy ho an'ny zanak'ondry
misaotra , ny haja, sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay

mendrika ny dera sy ny haja
asandratray ny tananay ho anao
mba ho voninahitrao (*2)
fa tsara ianao
mahagaga tsara ianao
tsisy mitovy aminao
tsisy toa anao(*2)
Ray o

Ray o iza moa no tahaka anao?
izay ankalazaina amin'ny fahamasinana
deraina amin'ny fahatahorana
mpanao fahagagana

Ray mahagaga lehibe mahery
aro manda ho ahy
amin'ny andro fahoriako
Ray mahagaga panasitrana
Ilay mpananganahy
dera ho azy irery

mahery izy (mahery izy) *4
mahagaga (mahagaga) *2
masina izy (masina izy) *4
mahaga (mahagaga) *2

Adriamanitra ray nafoy an'i jesosy
abrahama nafoy an'i isaac
ianao omeo an'amdroamanitra koa izay sarobidy indrindra aminao

Tompo atolotro ho anao
ny zava-drehetra hafoiko ho anao
tsy ihazona aho, tsy hamikitra aho
tompo atolotro anao (*2)

inty aho, raiso aho
ho fanatitra ho anao
ka ny foko sy ny saiko
ho anao manontolo

foiko ho anao ny amiko (*2)
mba ho ampiasainao

Ray o misaotranao ny fitiavanao anay
misaotra nanomezanao an'i Jesosy
namonjy anay
Imela Ray o

Imel, Imela Ray mpahary izao rehetra izao
Imela, Imela Jesosy oooo (*2)
saotra tompo o
jesosy o (*2)

taranaka voafidy isika
natao aneho ny hatsarany
izay rehetra ilaiko azoko avokoa
aiko izao, iza moa aho?

mino izay heverany ahy
izay lazainy ny ho ahy
izay itondrany ahy
aiko iza moa aho

mandeha min-kery aho
mandeha min'ny fahagagana
miaina amin'ny fahasoavanao
aiko iza moa aho (*2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahandry Raherivahatr'aina
Vangy : 1187
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fafachacha6
Daty : 19/05/2021 16:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3084