Mampivika drako (Mafonja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Bikany tsara, tsara tsiky, tsara fanahy
Fijerinao manjopika sady mampivika anaka
Mafatifaty enao, miavaka amin'ny samy tontolo
Mandratra mafy, atrany anatiko any manontolo
Tiko mintsy enao, raha ho anao za tsy ho tofoka
Trotrotrotroko eny rehetra eny, sady omeko orokoroka
(Ny aniany, ny sangisangy, ny safosafo, tambitaby foko ho anao jiaby @fomba ofisialy mintsy oa ny mariazy
Kozy anie zany fa tsy vazivazy
Ny adiady rehetra ezahako tsisy na dia koboko  enao aza ny diso piso
Maminavina ny ho avy, ny ampitso tsy haiko fa tiko enao, ianao niriko ho mpanjaka vavy

Ianao lay tanamsoandro manafana @ andrompiainako
Diavolana  manazava ao anatin'ny aizim-pito
Raozy mamerovero manindrona sady misy toetra,
Loharano mangarahara sotroko raha  mangetaheta)
Mampivika enao
Mampitapy
Maha lasa adala anaka
Foko sy ny saiko lasanao, any aminao, babonao, simbanao ro malalako oo
Ny vatanao kanto (drako ooo)
olo mamiko, olo-tiko Ka novidiko ho andefimandriko hianao
Ka ajanony any reo ady ze manorisory,
Fifamaliana vokatry ny hasarotam-piaro ooo


Za anie tena tia fa tsy sangisangy
Iray minitra tsy eo anilanao  oa za dia mila ho dangy
Manonofy mikasika ny vatanao malandilandy
Adiady kely fotsiny ve no ampisaraka antsika manangy(manangy ee)
Za mitomany
Ny ranomasoko milatsaka, mipatrapatraka, za valaka
Zavatra tsisy dikany ve ry joba no atao ampisaraka
Ny foko marary mijery le sarintsika roa sady nalahelo
Matsiaro tokana kely, singa irery za very
Mitamberina ao an-tsaiko ireo fotoana mamy tsy mety vokosoka
Ngoma anao zao ooo
Matsiaro anao
Manina ny tananao misafosafo ny tavako
Ilay molotrao malefaka iny manoroka ny vavako ooo
Oy e
Matsiaro anao
Zao drako ooo

(Ianao lay tanamasoandro manafana @ andrompiainako
Diavolana  manazava ao anatin'ny aizim-pito
Raozy mamerovero manindrona sady misy toetra,
Loharano mangarahara sotroko raha mangetaheta)
Mampivika enao
Maha lasa adala anaka
Ny saiko lasanao, any aminao, babonao, simbanao ro malalako oo
Ny vatanao drako o (drako ooo)
O vadiko, efa novidiko ho andefimandriko hianao
Ka ajanony any reo ady ze manorisory,
Fifamaliana vokatry ny hasarotam-piaro ooo


Tsikitsiky lava oa rehefa eo anilanao
Otrzany lay fitiavako raha mbola tsy tsapanao
Ho avy za angataka fa hafaro dadanao
Fa efa lasako tanteraka ze rehetra moba anao
Fa efa navaliko ny ditrditra, lasako fahiny
Enao aza manahy fa ity ny tanako fihino
Omeko anao ze ananako, ze tsisy ato tadiaviko
Fa tapa-kevitra aho fa haka anao ho vadiko
Drako ooo
De lasao zokinareo fa tapenako ny masony mahazo matoky nareo
Lazao anzany ko ny sipanao voalohany
Fa efa ho ataon'i lery hoe ze tsy vitanao taloha
Omeko anao ze tsara, omeko anao ze anah
Tsy avelako enao mety higagany @zay anah
Hisaorako amJah fa nomeny anah ilay vady hendry
Tonga any aminao Alahady manatitra vodiondry

Mampivika enao
Maha lasa adala anaka
Ny saiko lasanao, any aminao, babonao, simbanao ro malalako oo
Ny vatanao drako o (drako ooo)
O vadiko, efa novidiko ho andefimandriko hianao
Ka ajanony any reo ady ze manorisory,
Fifamaliana vokatry ny hasarotam-piaro ooo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mafonja
Vangy : 745
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : PNC
Daty : 24/09/2020 07:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721