Moramora (Madagascar all stars)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaratanàna tsy mahalavi-tany e
Misy havako any izaho tonga mamangy
avelako hikorisa moramora ny fotoana
F'izay tonga soa ihany
no mahazo manao ahoana
Andringitra tsy mahalavi-tany e
Tonga ny taratasy misy hafatra avy any e
Avelako hifandimby ny androsy ny volana
Tafajanona any aho fa tsy nasiako olana

Tonga soa ianao e
Mahay nandamina ny dia
Izay haingam-pandeha tsy mety tonga aty
Tafita soa ianao e
Ny olona aty tsy matity fitia
Izay haingam-pandeha tsisy ho azy aty

Ankaratra tsy mahalavy-tany e
Tian-Kavana izay mahavangivangy
Avelako hifandimby ny volonasy ny taona
Ny tia sy ny manina
Tsy maintsy ho tafahaona

Horombe tsy mahalavy-tany e
Misy tary namako mipetraka any
Avelako hifandimby
moramora ny maraina
Hafa ihany rehefa tsy mitaintaina
Izay tonga soa ihany noazo arahabaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Madagascar all stars
Vangy : 2382
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/02/2015 21:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744