tsy misy nenina (LEZARD)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mampan’inona
raha izay no tsapanao
tsy vitanao
f’aleko mangina

Tsy misy nenina
na koa afenina
ny aminao
reo zay nataonao

Reo nofinofinao
sy ny ahy koa
toa zary nandalo avokoa
Ekeko fa
ny tia ahy ianao
f’ireo toky izay
mba nomenao ahy
ny molotra ihany

Tsapako ihany fa
mafy izany
kanefa moa
nionona ny fo

Raha nihitalaho sy ny
ho any aminao
tsy mety koa
tsy atao an-doha

Nefa tsarovinao
f’indray andro any
hatsiaro ahy ianao
ka hitomany
izaho amin’izay
tsy anilanao
f’any ambadibadika any ho any

Mitsodrano anao
no any sisa azo atao
fa raha ny amintsika angamba
izay no vita
tena tiako ianao
nefa atao ahoana moa
fitia tsy fanerena ny amintsika roa
ny amintsika 2

Ho an’i E....A
--------
Rohy:
Hevitra
touche ( 03/04/2019 11:40)
Sao dia mba misy manana an'io hira io kay azafad , mba omeo ra mba misy e
mikalo26 ( 25/01/2020 10:42)
za manana ny album 1 navoakany zareo tamzany raha mila enao.
hery ( 25/01/2020 12:23)
mikalo26> Izaho mba andefaso amin'ny email media@radiovazogasy.com raha misy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEZARD
Vangy : 2255
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ratim
Daty : 23/10/2003 17:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1414