IANAO NO MIANTSO (Les semeurs)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa torovana tokoa anie izany saiko
Ny rendrarendran’ny tany anie tsy ilaiko
Mangetaheta izany fiainam-baovao
Maniry ny hiova aho fa tsy hijanona amin’izao

REF: Fiainan-danitra izany anie no iriako
Hanara-dia anao Jesoa izany no fidiako
Mangetaheta izany fiainam-baovao
Maniry ny hiova aho fa tsy hijanona amin’izao

Ianao no niantso Jesoa, Inty aho e
Ianao no nifidy, ekeko re!
Tsy fantatro akory izay lalan-kombako ety
Ka Ianao no mpitarika, hitarika ny dia

Ianao masoandro miposaka avy atsinanana
Hanome hazavana ny ory na ny tsy manana
Indreto izahay Jesoa manantona anao e
Maniry ny hiova fa tsy hijanona amin’ izao

Fiainan-danitra izany………………………….
Ianao no niantso Jesoa…………….
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Les semeurs
Vangy : 2069
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Raherikely
Daty : 02/04/2013 08:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721