Hiaraka hanorina (Laz sy AnnieJ)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga ity ilay fotoana nofisiko efa hatry ny ela.Hiovan'ny fiainako sy ilay androko sisa tavela.
Androany atolotro, ho anao ary tsy ho avototro ny bitsibitsikin'ny foko henoy fotsiny amin'ny fitsikin'ny Molotro.
Hiara hanidina voalohany aminao amin'ny elatro.
Fa ianao ihany ilay tokana hanarona ny olatro.
Ny andalan-tsotratro, ho tsarovy....
Fa androany ny pejy voalohany amin'ny bokin-tatarantsika no avelatro.
Dia hijoro aho ho ANDRY,
Ilay ho andefimandry , hitia anao am foko manontolo mandram-podiko mandry,
Ho mendrika, hiady ary tsy hiondrika amin'ny tokan-tranontsika, na inona fandrika , na ovina tsy avelako ho rendrika.
Satria Ity ilay andro efa tsy handriko.
Ialako tsiny sahady amin'ny ranomasom-pifaliana mety tsy ho votandriko,
Ilay bikanao aman-endrika,
Zary ho masoandroko
Toa nofy ery ilay hahita anao hiantsoraka eny an-tsandriko
Hiaraka hanorina, hiara ho tafita.
Hiaraka hamorona fiainana izay mbola tsy hita.
Izay lalan-tsarotra izorana iaraha-miampita
Izay mety ho tanjona ifotorana hiaraha-mamita
Omeko anao ilay toky sy ilay fanekeko,
Omeko ny tsara indrindra izay novoleko,
Ho horaiko ho ahy sy ho anao ilay ho doriaa.
Ho hamafisintsika eto ilay fontsika hiara-dia
Eo ary eo Matokia
Omeko anao ilay toky sy ilay fanekeko
Omeko ny tsara indrindra izay novoleko
Ho horaiko ho ahy sy ho anao ilay ho Doriaa..
Ho anao
Ho anao
Hiaraka hanorina, hiara ho tafita.
Hiaraka hamorona fiainana izay mbola tsy hita.
Izay lalan-tsarotra izorana iaraha-miampita
Izay mety ho tanjona ifotorana hiaraha-mamita
Dia ho hamafisiko amin'ny tany sy ny lanitra androany ilay voadiko,
Indro ho porofoiko zay ato anatiko hapia..akatra anao ho vadiko,
ianao ilay voafidiko, hiaraka amiko amin'ny adidiko sy izay mafy mety mbola ho adiko,
Mety hisy tomany nefa ho fenoina tsiky mandravaka.
Dia ianao ilay singa tokana hanome taratra miavaka
Aza manahy izay sedra mety tsy aha-afaka
Fa ny ho avintsika iray manontolo eto no atomboka am-bavaka
Dia miteraha hono hoe fy toa lahy sy fy toa vavy,
Mahaleova mahalasàna hono hoz'izy ireo Ray aman-drenintsika amin'ny ho avy izay ho diavina,
Ho alaintsika fafiny fa ity fiainana ity hono indraindray feno mistery miafina.
Androany ho raketiko ho diary,
Isaorako ilay Nahary nanome ahy ilay tsara indrindra amin'ny zavabohary.
Dia lasa ary isika eto hiaraka hiary
Vonona na amin'ny mora na amin'ny sarotra tsy hifanary
Hiaraka hanorina, hiara ho tafita.
Hiaraka hamorona fiainana izay mbola tsy hita.
Izay lalan-tsarotra izorana iaraha-miampita
Izay mety ho tanjona ifotorana hiaraha-mamita
Omeko anao ilay toky sy ilay fanekeko,
Omeko ny tsara indrindra izay novoleko,
Ho horaiko ho ahy sy ho anao ilay ho doriaa.
Ho hamafisintsika eto ilay fontsika hiara-dia
Eo ary eo Matokia
Omeko anao ilay toky sy ilay fanekeko
Omeko ny tsara indrindra izay novoleko
Ho horaiko ho ahy sy ho anao ilay ho Doriaa..
Ho anao
Ho anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Laz sy AnnieJVisites : 511
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : manasseh
Date : 21/05/2025 09:23
