Mandrevy Anao (Lamah Anassii)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 01 :Aiza moa ianao, Ry malala?
Fa manina loatra an'ndry, ny aty
Elaela isika tsy nifankahita
Tsy nifampiantso
Asa moa ve akia misy
Hadisoana nataoko?
Refrain :
Ka miangavy izaho mba lazao
Raha toa mbola tia ahy ianao
[ Mamanala anie ny akamanao, mitampify amorom-patana
Ny aty anie tia iaina anilanao, tia ahitanao mivantana ] x2
Couplet 02 :
Mitadidy izay rehetra vita, maka sary an'eritreritra
Satria tsy misy afa tsy ianao, raha mbola hoe ato ampoko ato
Ngoma sangisangy sy ireo teny mamy sy hafaliana lava ankilan'ndry
Mbola miandry ve sa efa nanadino
Ireo tantara nosoratan-tsika?
Refrain :
Ka miangavy izaho mba lazao
Raha toa mbola tia ahy ianao
[ Mamanala anie ny akamanao, mitampify amorom-patana
Ny aty anie tia iaina anilanao, tia ahitanao mivantana ] x2
Couplet famaranana :
Ry voromanidina irony
Etsy afarako kely anie
Lazao ilay tiako fa ny aty tsy tony
Mangingina ny tanàna e
Ry voromanidina irony
Etsy afarako kely anie
Matsiaro very namana hono hoe
Banga loatra ny tontoloko e
A/C : TSIKY HASINA ANDRIAMALALA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Lamah AnassiiVangy : 37
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LamahAnassii514
Daty : 03/04/2025 14:46
