SAO HEVERINAO (Ladie Nanou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sao heverinao fa
ho mandrakizay tokoa ve ny ety an-tany
Efa tanteraka sy miseho avokoa
Ireo voalazan'ireo mpaminany
Fa ny risoriso dia ho tarangana tsy ho hisy any am-parany any
Ny volanao tsy ilaina any an-danitra any
Ka mba mandiniha amin'ny raha ataonao
K'aza variana ianao sao tara

Manaova soa ianao tsy hanenina e!
Mangidy afobe, k'aza manjeny ny andro ho lava
Fa ny tsara fô ataova, zanahary hanampy anao

Miambena ary isika e!
Fa ho avy toy ny mpangalatra Aho hoy ny Tompo
Efa nambarany fa Izy irery ihany
no lalana sy fahamarinana

Fa ny andraso andraso dia anisan'ny iray mahavery
Ka raiso ny hery
Safidy iray ny antsika
Any an-danitra any

Ny fahamarinana no 'ndeha ho atao,
Ny ratsy rehetra koa mba hialao
Ho fitsimbinana anao
Ny heloka rehetra ibebaho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ladie Nanou
Vangy : 1841
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : paositraantalaha
Daty : 08/08/2019 11:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072