Diso fiantefa (Kyrone)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa iny aho vao mifoha ka mijery ilay sarinao
Toa reko foana ny ato am poko mitepo ho anao
Tadidiko avokoa ireo ireo sento sy toreo
Dia ireo izay niarahana fahiny hatram'izay

Ilay fahatsiarovako anao hatramin'izay
Toa reko foana mitamberina ato an-tsaiko
dia ilay fitiavana diso fiantefa
Fitia voarara izay no anjara
Fa diso toerana tokoa ilay fitia
Dia ilay fitia izay natolotrao ho ahy
Tsy ho sanatria sangisangim-pitia
Hay ianao mody tia
Izaho anefa tia tena tia

Nony taty aoriana kely tonga indray ianao
Hamafa ireo alahelo nanageja,
Efa tara loatra anefa izany fampiononanao
K'aleoko hionona amin'izao toy izay ampijalianao aho

Ilay fahatsiarovako anao hatramin'izay
Toa reko foana mitamberina ato an-tsaiko
dia ilay fitiavana diso fiantefa
Fitia voarara izay no anjara
Fa diso toerana tokoa ilay fitia
Dia ilay fitia izay natolotrao ho ahy
Tsy ho sanatria sangisangim-pitia
Hay ianao mody tia
Izaho anefa tia tena tia

Tsy ho adino ireo natao
Tsy ho voafafa mihitsy ianao
Fa miraikitra ao am-poko ianao

Ilay fahatsiarovako anao hatramin'izay
Toa reko foana mitamberina ato an-tsaiko
dia ilay fitiavana diso fiantefa
Fitia voarara izay no anjara
Fa diso toerana tokoa ilay fitia
Dia ilay fitia izay natolotrao ho ahy
Tsy hoe sanatria sangisangim-pitia
Hay ianao mody tia
Izaho anefa tia tena tia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kyrone
Vangy : 2315
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tanjona love
Daty : 13/07/2019 11:08
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118