Antsa ho anao (Kim jah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy reraka mihitsy zaho ny hiteny anao
Hoe tena tiako loatra fa ny lalako araho
Ianao haiko fa mino anah
Fa ny tena ilaiko ianao ilay mila anah
Ka handao hiara-dia tsy hisara-droa any am-paradisa
Azafady raha nisy tsy nety nataoko taminao re zao
Fa raha sitrakao dia zanako mba hoentinao hoentinao hoentinao

Ka satria andronao anio
Ka indro izaho hanolotra
Zavatra tsy ampoizinao mihitsy
Fa tianao mihoatra ny molotro

Aleo zaho hiantsa ho anao
Aleo zaho hiantsa ho anao irery
'Zaho hiantsa ho anao irery
Hanambarako ny ao anatiko
F'ianao ho anah mandrapahafatiko

'Zay tianao no tadiaviko
Ny ampitsonao no hoaviko
Ka zay andehananao tsy maintsy ho diaviko
Fa tsy ho laviko
Mbola anao ny foko hatreto
Mandra-pahatongan'ilay zanatsika
Fa tiako ho sambatra
Ho faly, ho ravoravo na zaho io na tsika
Zaho hiantsa ho anao f'ianao no antsako
Satria ny ho aviko efa anao fa ianao tsy ho lasako
Ny hahasambatra anao zay no asako
Ka zay mety ho ferinao dia mety ho ratrako

Ka satria andronao anio,
ka indro zaho hanolotra
Zavatra tsy ampoizinao mihitsy
Fa tianao mihoatra ny molotro

Aleo zaho hiantsa ho anao
Aleo zaho hiantsa ho anao rery
'Zaho hiantsa ho anao rery
Hanambarako ny ato anatiko
F'ianao ho anah mandrapahafatiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kim jah
Vangy : 9942
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 14/04/2019 21:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2088