You are here: home > Tononkira > Kamary

Fay (Kamary)

Tsy anenenako ny lasa fa
Hampianatra hitondra soa ho ahy
Raha lalana namotraka izy ireny e
Efa mailo aho dia tsy ho solafaka

Nasesik'inona angaha?
Nasesiky ny hadalana
Naditra tsy hay noraràna fa nandika lalàna!
Tsy hanao intsony anie aho,
Fa tsipaky ny ombalahy
No efa nananatra ahy ka nahafay
Nasesik'inona angaha?
Nasesiky ny hadalana
Naditra tsy hay noraràna fa nandika lalàna!
Tsy hanao intsony anie aho,
Fa tsipaky ny ombalahy
No efa nananatra ahy ka nahafay
Katononkira.serasera.org nahafay!

Soa kenda hahay hitsako tsara
Ifidianana izay harapaka ao am-bava
Soa lavo hahay hamindra mba
Mba handehanana amin'ny fahamarinana.

Nasesik'inona angaha?
Nasesiky ny hadalana
Naditra tsy hay noraràna fa nandika lalàna!
Tsy hanao intsony anie aho,
Fa tsipaky ny ombalahy
No efa nananatra ahy ka nahafay
Nasesik'inona angaha?
Nasesiky ny hadalana
Naditra tsy hay noraràna fa nandika lalàna!
Tsy hanao intsony anie aho,
Fa tsipaky ny ombalahy
No efa nananatra ahy ka nahafay
Ka nahafay!

Mpihira : Kamary
Mpamaky : 213
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Dahfara
Tamin'ny : 19/09/2021 06:01:46
ID : 13666

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo