Lorie (KAËD)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Finaritra ny maso mahita an'izao rehetra izao
    Anisan'izany dia nanaitra ahy lay tsikinao
    Ahoana re hoy aho ny fomba hambaboko anao
    Hay! Nahita hevitra aho!
    Aza omenareo tsiny aho raha hanandrana kely
    Tsy dia fanaoko loatra izy ity fa izaho koa mbola kely
    Hira sy mozika ihany koa nefa izy ity
    Fa yodeleleilih eleilih!
    Azokazonareo angamba ny tiako atongavana
    Yodeling ihany ny anaran'izy ity rahavana
    Asintsika sombitsombiny kely ho anareo
    Ka andao ary,henoinareo...

Ref: [Démo yodeling]

2- Dia io ary fa taraiky razazavavy vao nandre ilay kalo
    Toa nandaitra ilay hevitra tao anatin'iray sy valo
    Vetivety teo dia nifandray be izahay roa
    Hay! Lorie ny anarany moa
    Tena sarobidy loatra izay fotoana izay
    Satria hafa kely tena miavaka milay
    Dia maromaroa leretsy ny tahak'izany
    F'ilay Lorie mahalasa vinany
    Hafaliana tsy omby tratra ny ahy ry zareo
    Maharavoravo ahy avokoa ny zava-miseo
    Iza no nanam-po hoe ity mozika ity
    No azakako an'i Lorie
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 05/06/2025 09:56)
Misaotra e. Misy gasy mahay an'ilay yodeling
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : KAËD
Visites : 1175
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : mafyloha3
Date : 05/06/2025 09:40
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.181