FITIA SARANGA (JUN Hiro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF :
Te hamikitra ny foko fa tsy manam-pahefana ny hanefa ny tsy efako e!
Mba te haka ny fitiavany tsy avelan'ny "SARANGA" mba hanafaka ny tsy afako e!
Ka dia ho rakofako fitia mangina ny foko adala
Tsy maintsy afoy 'lay tena tiana f'efa tsy anjara


COUPLET :
Te hamikitra ny foko fa tsy manam-pahefana
Te hanala irifiry fa tsy manana hafanana
Mantsy za tsy mendrika ny hitia noho ny "SARANGA"
Niezaka nitia aho fa tsy nahafeno ny banga
Kay zanaka laibany izy zahay somary ambany
Izy nampiadanina dia zahay nitrongy tany
Raha senrda tsy "en forme" radoko eo isan'andro
Tsy ohatranay zay taizana tambavy sy raok'andro
Ny elanelantsika tena hita niharihary
Ny anao "jeux video" dia ny anay kivarivary
Ny dabakely kapoakanay tsy mba mandeha "pile"
Ny kilalaonareo vita sonia "MADE IN CHINE"
Avy nianatra dia tsenaina @ 4X4
Eny ambony fiara no mijery anay mi-"battre"
Toy ny tara-pahazavana hoe ny masonao
Ntsôôh!mitia mangina ihany sisa no azo atao

REF :
Te hamikitra ny foko fa tsy manam-pahefana ny hanefa ny tsy efako e!
Mba te haka ny fitiavany tsy avelan'ny "SARANGA" mba hanafaka ny tsy afako e!
Ka dia ho rakofako fitia mangina ny foko adala
Tsy maintsy afoy 'lay tena tiana f'efa tsy anjara

COUPLET :
Nihodina ny tany, nadroso ny taona
Niaraka lehibe fa zahay dia sahirana foana
Raha nanao "goûter" zahay dia kafe sy mofo gasy
Ny anareo "PIZZA" dia miampy "jus-na mananasy
Kata @ lay mora ny ahy farafaha lafo "dix- mille"
Ny anao "deux millions" laniana hanaovana "SHOPPING"
Ahoana no ahatakarako an'izany rehetra izany
Hisavi-tsaranga koa ve aho sa hitomany
Ny taram-pahazavan'ny masonao sisa ifaliana
Ho mandrakizay aho hiezaka ny hitia mangina
Nanao zay fara-heriko aho kanefa tsy nahatratra
Tsy mendrika ny handray ny tananao aho fa MAHANTRA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JUN Hiro
Vangy : 1060
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : junhiro
Daty : 25/07/2016 07:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742