Tiany Ianao (Jon Mos John)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitiavana mantsy hono indraindray
Raha koboinina ao am-po
Dia zary ho alahelo sy ho adin-tsaina
Ka hankarary ny fo

Ambarako eto izao ho renao
Fa tiany ny ho anilanao
Nefa manahy ihany
Sao ho lavinao
Fa ny anio ny mahafaly azy
Dia ny ho anilanao ihany
Nefa hatramin'izao tsy fantatrao
Fa izy nitia anao

Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F'ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo

Manahy ihany mantsy aho indray andro any
Fa hihaona indray ianareo
Ka aoka tsy ho tomany
Ny ho setrin'izany
Fa raha ny tiany sy niriany
Dia mbola ianao ihany
Kanefa izaho foana
No setrin'ilay fitia nomeny anao
yeah! Yeah!

Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F'ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo

Guitare solo

Tena tiany hono ianao
Nefa tsisy azo atao
F'ilay fitia mihintsy no efa tsy ao
Tsy nitsiry ao am-po ka nandratra ny fo
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/jon-mos-john/tiany-ianao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jon Mos John
Vangy : 181
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : JackDaniel
Daty : 04/03/2022 14:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0696