Aleoko ihany (Pasteur Jocelyn RANJARISON)

https://tononkira.serasera.org/hira/jocelyn-ranjarison/aleoko-ihany-1

Raha lavitra Anao aho
dia ho feno ahiahy
raha lavitra Anao aho
ho anjakan’ny tahotra
raha toa ka tsy eo Ianao
hiady irery foana aho Oh Oh Oh
aleoko ihany hitoetra
hitoetra eo anilanao

ref:Tsaroako faly ny fo
rehefa miaraka Aminao
toa maivana ireo manjo
Tompo ô tohananao
tononkira.serasera.orgfa tsy mba manary Ianao
na anaty ady sarotra
aleoko ihany hitoetra
hitoetra eo anilanao

Fa tsara indrindra tokoa
’zany hoe akaikinao
soa tsy manam-paharoa
ary fiainam-baovao
tsy hamoizako Anao
Raha izao tontolo izao Oh Oh Oh
aleoko ihany hitoetra
hitoetra eo anilanao

ref:tsaroako faly ny fo....

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Pasteur Jocelyn RANJARISON
Mpamaky : 6715
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Fiffi
Tamin'ny : 03/10/2007 05:01:55
ID : 4751

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo