Ny fo lavi-tiana (Jeanette)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh ry nofinofy ratsy
antenaiko atsy ho atsy
fa ny foko izay honena
dia ahita ahita fitonena.
Aoka re mba ho ambara
mialoha ka hazava tsara
ary tsy ho fahitana
mialoha izay hiafarana
Ny foko lavi-tiana
Ontsakontsam-pahoriana
isan andro tsy tafandry
fa mitazana sy miandry

Oh ry nofinofy ratsy
antenaiko fa atsy ho atsy
Izany foko izay honena dia ahita
ahita fitonena.

Oh ry foko lavi-tiana
Ontsa Ontsakontsam-pahoriana
isan andro tsy tafandry
fa mitazana sy miandry
Iza, iza moa no mahalala
sao mba tonga ilay malala
kanjo, kanjo sento foana ihany
no hatretrako hatrany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jeanette
Vangy : 291
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 26/08/2023 13:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.99