Hihira aho hanadino (Jean Nico)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahatsiarovana ny andro iray
Nampiova ny eritreritrao
Fa ny ranomaso izay tsy tana
Mety hankarary anao

Tohizo hatrany ny lalanao
Izaho kosa hanohy ny diako
Tsarovy fa indray andro any
Mety hifanena isika

Fiv : Raisiko ny gitarako
Hamelombelona ny fanahy
Ka hihira aho handrotsirotsy
Hampisinda ny tsiahy
Hihira aho hanadino ireo taloha
Vetsoiko mangina,
Hatory tsy hifoha

Fa ny foko izay naratra
Aza heverinao akory
Indrisy mantsy ankehitriny
Efa afa-tsorisory
Hihira aho hanadino ireo taloha
Vetsoiko mangina,
Hatory tsy hifoha.
--------
Rohy:
Hevitra
LAndrianasolo ( 17/04/2019 07:51)
Mahatsiaro ny raiko niteraka ahy aho @ ity hira ity tsy iza izany fa RANDRIANASOLO Janeau Evariste dit JEAN-NICO. Misaotra ilay nampiditra ity hira ity. Hira an isan ny tena tian i dada.
dolbia ( 29/06/2023 20:18)
Salama,
Izaho no nampiditra an'ireo hira anankitelo ireo ary mba maniry ny hifandray amin'ny zanak'i Jean Nico...
LPA75 ( 13/08/2023 09:00)
@dolbia Mankasitraka indrindra nampiditra ity hira tian i dadako ity.
LPA75 ( 13/08/2023 09:04)
@dolbia ity ny adiresy mailaka raha hifandray amiko ianao Lpageotech@yahoo.fr
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jean Nico
Vangy : 2463
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : dolbia
Daty : 21/07/2008 15:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741