Mino aho (IBEmaso & Co)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mino aho fa any indray andro
Samy hahazo ny anjara sahaza ny ambany masoandro
Ny ankizy ho salama, tsy ho farofy fa ampy sakafo

Mino aho fa any indray andro
Hifankatia ny mpiara-belona fa iray tafo
Hifanampy ny mpitondra fa samy mpisoron'afo

Any indray andro !
Hitovy zara ny akaiky arina sy ny lavitr'afo
Samy hahazo ny anjara sahaza ny ambany masoandro

Fitia kely iray dia ampy !
Tsiky kely iray aranty !
Fa ny vola anie ka sampy !
Ny ho rava fihavanana no tsy tanty !

Mino aho fa any 'ndray andro
Hifanaja zo maha-hary ny voahary manontolo
Ny olombelona hikolokolo ny ain'ny tontolo

Mino aho fa any indray andro
Hivalisoa ho feno tsiky ny vavakin'ny ankizy
Ho voakajy ny ho avy mba honina ao Izy

Any indray andro !
Hitovy zara ny akaiky arina sy ny lavitr'afo
Hifanampy ny mpitondra fa samy mpisoron'afo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : IBEmaso & Co
Vangy : 849
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 12/05/2018 09:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0993