Fitia kilalao (Iary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia lasa tokoa ianao iny
Tsy ho hitako intsony
Taratasy kely izay
Navelanao mba ho ahy
Nolazainao f’efa leo sy tofoka ianao
Tsy haiko ny antony!

Fotoana vitsy ihany
Tsy nahitako izay mamy
Nahita ny tsara ve dia nifindra lasy any
Sa ny tsy fisiana no mibahana hatrany
An-dohanao tao?

Tsy hitazona anao aho
Na dia tiako aza izany izao
Fitia kilalao ny anao hatrizay,
Tsy natao ho ahy.

Tsy hitazona anao aho
Na dia tiako aza izany izao
Fitia kilalao ny anao hatrizay,
Tsy natao ho ahy.

Nirenireny teny aho
Sao mba eny ihany ianao
Ny alahelo tao am-po tsy voalazako anao
Niezaka izaho niantso ny anaranao
’Zay tsy fantatrao iny!

Tsy hitazona anao aho
Na dia tiako aza izany izao
Fitia kilalao ny anao hatrizay!
Tsy natao ho ahy.

Tsy hitazona anao aho
Na dia tiako aza izany izao
Fitia kilalao ny anao hatrizay!
Tsy natao ho ahy.

Dia handeha ianao
Ka tsy hiverina
Ny alahelo anao
Dia mitamberina
Tsy misy hasolo anao
Tsy mampaninona
Fa.........
Lasa ianao!!!!!

yeh! yeh!

Tsy hitazona anao aho
Na dia tiako aza izany izao
Fitia kilalao ny anao hatrizay,
Tsy natao ho ahy

Tsy hitazona anao aho
Na dia tiako aza izany izao
Fitia kilalao ny anao hatrizay,
Tsy natao ho ahy

Tsy hitazona anao aho
Na dia tiako aza izany izao
Fitia kilalao ny anao hatrizay,
Tsy natao ho ahy

Tsy hitazona aho....

Me me pe pe pe pe!

Me me pe pe pe pe!

Fitia kilalao ny anao hatrizay,

Tsy natao ho ahy

’Lay fitiavanao.......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iary
Vangy : 3713
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : djc
Daty : 25/10/2007 18:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784