Ray fitiavana (Hirah Israël)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray, mba oviana moa Ianao
No nanary ahy rehefa mba mitady Anao aho
Ray, mba impiry ihany koa
Raha nangataka sy niantso aho
Ka tsy namaly Ianao.

Fa tonga Ianao namafa ny tomany
Nanolotra hazavana koa
Avy any an-danitra any.

Ref:
Satria, fitiavanao anay
Tsy ho any amin'ny lalan-kafa indray
Ireo ditra sy adalana koa
Nofafanao mba tsy hiverenako.

*Ho any indray izahay! (x2)

Ray, fa mba inona tokoa
No nasetriko, navaliko, ilay fitiavanao
Ray, tsy ho voambarako aminao
F'Ianao mahalala ahy hatrany
Fony aho mbola tsy teto an-tany.

Ref: ....
....

Pont:
Ianao no nitady ahy
Ianao no nikaroka ahy.
Famindram-po izay nomenao
Nanasitrana ahy ireny hatramin'izao.

....

Ref:
Satria, fitiavanao anay
Tsy ho any amin'ny lalan-kafa indray
Ireo ditra sy adalana koa
Nofafanao mba tsy hiverenako. (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hirah Israël
Vangy : 472
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 22/05/2022 07:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754