BAREA MAHERY FO (HEROZ)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga anio ilay fotoana, isandratanao
Mitodika aminao daholo, izao tontolo izao
Hivaly avokoa, ireo ezaka natao
Anjaranao indray izao, ny hanoratra tantara

Tanan-tsika mifandray ka hiaraka handrombaka amboara
Ny fo mitempo iray anandratra avo ho any Gasikara

BAREA... mamelona ny fanantenana ato aminay
Ka reharehanay
Nampiray nampiavana ny Malagasy indray
Tsy ho kivy na ketraka, fa hifanome tanana
Handrava ireo sakana, ny malagasy manontolo
No miara miady aminao

o o o oh....BAREA BAREA
Alefa BAREA

Na dia be aza ireo mitady anakivy
Dia tsy ampiemotra an-tsika izany
Aomby avokoa izay rehetra atao eo ambany
Fiahian'ilay nahary
Misaotra namelona indray ilay afom-panantenana
Misandrata avo ho reharehanay

Tanan-tsika mifandray ka hiaraka handrombaka amboara
Ny fo mitempo iray anandratra avo ho any Gasikara

BAREA... mamelona ny fanantenana ato aminay
Ka reharehanay
Nampiray nampiavana ny Malagasy indray
Tsy ho kivy na ketraka, fa hifanome tanana
Handrava ireo sakana, ny malagasy manontolo
No miara mandresy aminao

o o o oh....BAREA BAREA
Alefa BAREA

BAREA... mamelona ny fanantenana ato aminay
Ka reharehanay
Nampiray nampiavana ny Malagasy indray
Tsy ho kivy na ketraka, fa hifanome tanana
Handrava ireo sakana, ny malagasy manontolo
No miara mifaly aminao

o o o oh....BAREA BAREA
Alefa BAREA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HEROZ
Vangy : 1910
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : harijhers
Daty : 24/07/2019 12:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1941