You are here: home > Tononkira > HARIMANITRA

ANY IANAO (HARIMANITRA)

ANY IANAO (JOSE feat HARIMANITRA)

(H) Lavitra anao aho ka tsy tanty
Ny alaheloko anaty
Ny eritreritro manjeny
Toa tsy mety fa manjohy anao eny ho eny

(J) havoana toerana maro
No mampisaraka antsika
Te hiezaka aho saingy indrisy
Fa ny saiko no alefako hiampita
Hamisavisa ny endrikao

Ref: (H) raha vao mandre ilay mozika
(J) raha vao nandre ilay mozika
(H) toa eo iantononkira.serasera.orgao mitanisa
(J) toa eo ianao mitanisa
(H) ilay toerana falehantsika
(J)ilay toerana falehantsika
(H)(J) nangina teo nangatsiaka ou ou ou

(H) tantely saraky ny ala
Tomany mahatsiaro very
Lavitra anao ry malala
Sara-tiana toa singan'irery
Tsisy mpijer

(J) any andro iray sy fotoana
Izaho sy ianao mbola eo foana
Ka ho diavolam-pitia
Ka hiaona ny tia sy ny tiana
Ho tafara-dia

Ref:... 2x

Mpihira : HARIMANITRA
Mpamaky : 476
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hasimbola20
Tamin'ny : 18/07/2020 08:17:19
ID : 12900

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo