Tsiahy an' i NENY (groupefenosoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andro iray toizao
No tena ahatsapako§
Fa raha tsy nisy ianao !
Dia tsy hary koa izaho


Endratrendratra ny foko
Mahita ny hafa
Toa hoe mitovy loko
Nefa samy hafa

Fa na iza hisolo anao ?
Raha mbola vehivavy koa!
Dia hafa ianao ry Neny
Ilay tena Reniko


Tsy ampy anao ny fianako
Nefa atao ahona moa
Iondrika aho dia hitraka!
Hampiarina ny loha

1ere Ref... (2fois)
Fetinao androany ,
Misy faly,
Ary misy mitomany !
Nefa izany no fiainana
Eto an-tany!

(feo kira music...)

Rehefa toizao
Dia manolotra fanomezana!
Samy manana ny azy !
Mba omena anao ry Neny !

Fa ny ahy kosa !
Tonokalo mahonena ,
Sy fehezam-bonikazo ooo,
Vonikazo mety halazo

Tsy ho marikin'ny soa !
Amin'ny zava-bitanao
Fa marim-pahatsiarovana
Ilay vatana efa lo

2ème Ref... (4fois)
Fetinao androany ,
Misy faly,
Ary misy mitomany !
Nefa izany no fiainana
Eto an-tany !

Mpanoratra
Fenosoa RANDRIANANTENAINA
Misaotra indrindra tompoko ankafizo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : groupefenosoa
Vangy : 1001
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : groupfenonsoa
Daty : 11/07/2019 23:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1311