Hoento ambavaka (Groupe Rinoh)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olombelona aho mitafy nofo sy ra
Manao hadisoana tsy mba lafatra
N'inona n'inona atao n'inona n'inona kasaiko
Ny ratsy foana no hita tsisy azo antenaina
Iza no hiantra ity mahaonena

Hoento am-bavaka aho
Raha mba azonao atao namako o
Tsy tondro molotra no mety ampiova ahy
Fa Andriamanitra ilay be fitiavana

Ho any an-danitra any no tanjona iombonana
Ny fifamelana no sisa andrasana
Raha tena iray isika hiara-paly aminy
Handova ilay toerana izay lafatra sy ena sarobidy
Koa dia hifankatia fa isika ho iray ao aminy.

Ho ento am-bavaka aho
Raha mba azonao atao namako o
Tsy tondro molotra no mety ampiova ahy
Fa ilay Andriamanitra be fitiavana
Hoento ambavaka aho
Izao hivavaka ho anao
Tsy hifanenjika na hifanaratsy koa
Fa hifanohana fa iray tanjona
Koa handeha hifampitrotro am-bavaka
Mba ho ento am-bavaka aho, izao hivavaka ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Rinoh
Vangy : 362
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tokytana1804
Daty : 03/01/2023 10:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716