You are here: home > Tononkira > GIANA

Tsy adino (GIANA)

Tsy tiako ho tanisaina izay ratsy nitranga
Fa ny tsara ataovy an-tsaina ka aza atao kinanga
Nolalovantsika teo ilay lalankelin'ny fitia
N'inon’inona vita hatreo
Ny fitia ho doria

Nodiavintsika koa ny hehy sy tomany
Notetezina avokoa ny ambony sy ambany
Nolalovantsika teo ilay lalankelin'ny fitia
N'inon’inona vita hatreo
Ny fitia ho doria

Iretononkira.serasera.orgo ahiahy tsy sahy nolazaina
Ary ny hafaliana izay notantaraina
Dia nanosika ahy hino foana
F'isika mbola hihaona

Ny veloma no atao ho an'izay hifandao
Fa ny antsika hoy ianao arahaba vaovao
Nolalovantsika teo ilay lalankelin'ny fitia
N'inon’inona vita hatreo
Ny fitia ho doria

Mandram-pihaona indray
Mandram-paha ... mandram-pihaona indray

Giana/Voahirana/Joel Rabesolo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : GIANA
Mpamaky : 58
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : jessimi
Tamin'ny : 19/08/2019 06:31:52
ID : 11995

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo