Hiderako Anao (GAEFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Samy hafa, fa iray ihany izahay ireto tonga manatrika
Manoloana ny seza fiandriananao, be voninahitra
Indro asandratray avo ho anao ny feonay
Hanako ho ren'izao rehetra izao
Hanambara fa masina Ianao, Andriamanitra

Ref:
Izay talenta natolotrao ahy, hiderako ny anaranao
Tsy ho asiako fepetra na kely, fa afoiko daholo ho Anao
Haneoko fa tsara Ianao, fa tsy misy ny toa Anao
Fa izao ary rehetra izao, fahasoavana avy Aminao

Fa voafidy ho filazantsara sy endrikao izahay
Mba havaozy ho mendrika fa tsy hanao asa alasafay
Tafio hery tsy ho ravan'ny sarotra
Fa mafy ny ady ho atrehinay
Ho toy ireo mahery fo, tsy ho lefy mandrakizay

Ref: *2

Ny talenta natolotra, hiderako ny anaranao
Indro atolotro tsotr'izao, hiderako ny anaranao
Tsy misy fetra fa afoiko ho anao, hiderako ny anaranao
Indro atolotro tsotr'izao, GAEFIA dia hidera Anao

AC: Ranto Andriane
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GAEFIA
Visites : 251
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rasamiharizafy
Date : 26/05/2025 15:56
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0689