SAMBO FIARA (G.A.C.K.D Tarika KAVARA)

                             SAMBO FIARA
Hisamboaravoara be Ianao
Raha hidridroka ny Sambo handao
Dia hinoako ho toy izany ko ny hafa
Tsy tafahomana ka tsy lasa

Olombelona moa nofo sy rà
Ka hanontany tena hoe :Izy koa ve zah ?
Tsy tarehy na bika ka handeha hifampitaha
F' izay nafafy no jinjana eny antsaha

Ref Dia lasa,dia lasa
      Lasa ny sambo
      F ' Ianao ,f'ianao
      Nidiran'atambo

         Tsy ny fiara no tsy omby
         Na ny sarany tsy mitovy
  Tsiky dia ampy       Fa ny fo sy fanahy !
         No hitsarana azy.

Izay mangina ihany koa moa volamena
Ny adala mampiseho tsy jerena
Ny fanarahana ny dia tsy terena
Ny adalana efa vita fefena

Koa meteza ary Ianao ho fafana
Hihosotra diloilo mafana
Fiainam-baovao no haleha
Raha miverina ny Sambo ...
         Izaho ...... HANDEHA!
        
      G.A.C.K.D Tarika KAVARA  
     Auteur / Compositeur : HANDRINANTSOA Dieudonné Victorien
            Tel : 034 11 141 75 / 033 11 141 75 / 032 11 141 75
  

Mpihira : G.A.C.K.D Tarika KAVARA
Mpamaky : 108
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : handrinantsoa
Tamin'ny : 04/05/2022 12:18:55
ID : 14197

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo