Volambita (Fikambanana Iray Madagasikara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Salanitra e!
Soatoavin'i Gasikara no alamiko
Fihavanana, io no lova tena mamiko
Fa na Lohataona na Volambita
Dia Asaramanitra izany amitsika
Madagasikara tranontsika
Izany hoe fianakaviana iray isika
Anao malagasy, zaho malagasy
Baba sy ninintsika malagasy
Olo araiky atsika jiaby
Ndao hitambatra, ndao hihavana
Ady zegny tsy tsara
Firaisankina no hery
Izay misaraka dia very
Lova tsara indrindra
Fihavanana aza ariana
Io no tsara indrindra e
Fihavanana aza ariana e
Tsisy politika
Tsisy resa-pivavahana
Tsisy antsonjay
Hifandray tanana
Ianareo avy ety
Ianareo avy ery
Ndao handihy
Tsy hi-bagarre
Fa malagasy
Tsy mitovy hevitra
Tsy mitovy ny fanao
Samy iray ny fihaviana
Malagasy ianao
Fivolagnana tsy mitovy eh
Fômbafômba koa samy managna
Tany raiky arô fihaviagna
Malagasy Jiaby
Gidrogadro Kabary tsy atao maro o
Fihavanana mampalaza ny malagasy
Hafatry dadilahy
Tiavo ny agnao, ny agnolo tsy ariagne
Iray ihany isika malagasy
Solofon'i Gasikara
Iray ihany koa ny fomba sy fanahy eh!
Saina iray, aina iray
Fihavanana no asandratra
Tany Masina no manambatra
Atsangano ty tanan'ny malagasy
Na foty na mainty havako aby
Zaho baka andrefa, iha baka atimo
Ndao hifankatia, sa magnino
Na lehilahy na ampela
Ndao hifamela
Isika iray la cour
Ndao hifandamoro
Tsy mitovy ny hevitra,
Ny tiako tsy voatery ho tianao
Tsy mitovy ny fanao
Ny mety amiko mety tsy mety aminao
Samy iray ny fihaviana fa ny tany naniriana no tsy mitovy
Hajao ny an’ny hafa fa ny anao arovy
Gasy tafaray, foko tafaray
Iray fo iray saina, iray vatsy iray aina
Malagasy Iray ihany ka
Na ho vy na ho vato
Ny tany naniriako tsy ariako
N'inon'inona firazanana
Tsy mampaninona
Ndao hihavana
Siasia
Ataovy sanatria
Fitiavana no sefo (2)
Fitia no mampiriaria
Fitiavana no sefo
Fitia - Fitia - Fitia
FITIAVANA
Izao longo maro havako aby
ho atika atinagna, ho atika andrefa agny
atimo, avaratsa ane nene
Soa ny miray hina
Oie, tsara mifankatia e
Ny soa
Nahatsara ny razamben'ny Gasy
Fihavanana, firaisankina
Fifandeferana no tsara e
Samy tompon'ny nosy ity
Ny fahendrena dia miaraka
Mifandefitra e
ahitagna ny fiadanagna
Ref
Tsy mitovy hevitra tsy mitovy ny fanao
Samy iray ny fihaviana
Malagasy ianao e
Fihavanana no asandratra
Tany Masina no manambatra
Trano araiky antsika Malagasy
Eoa!
Na andrefagna, na atsinanana,
Na atsimo, na avaratra
Olo araika atsika jiaby,
Mitambara mba ho vato!
Soatoavin'i Gasikara no alamiko
Fihavanana, io no lova tena mamiko
Fa na Lohataona na Volambita
Dia Asaramanitra izany amitsika
Azafady, azafady, ny kolontsaiko tsy ialako izany ah!
Azafady o



Niarahan'i Sangama, Fitarikandron'i Tsiadana, Feon'i gasikara, Elodie, Tence Mena, Bodo, Koezy, Laka Ensemble Enfants, Tsiliva, Rakroots, Caylah, Iary, Vahombey, Eric Magnary, Jaojaoby, Rasolo Sodina...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fikambanana Iray Madagasikara
Vangy : 944
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/09/2017 13:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714