Ilay malalany (Fenoamby)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh ïé ! oh ïé ! miandry ampanantenana ilay malalany
Oh ïé ! oh ïé ! miandry ampanantenana ilay malalany
Hisan-andro vaky izy rô tsimaintsy tara mody an-trano
Hisan-andro vaky izy rô tsimaintsy tara mody an-trano
Na andro fihasagna , na andro tsy fihasagna Izy tsimaintsy tara
Azôvy-azôvy izany moa zalahaby e îa !

Izy hitanao hisan-andro tsimaintsy an-trano toaka
Izy hitanao hisan-andro tsimaintsy an-trano toaka
Na izy manam-bola na izy tsy manam-bola izy tsimaintsy mamô
Azôvy-azôvy izany moa zalahaby e îa !

Izany tsy zaho ê !

Miasa loha lava isan-andro ny vady ao an-trano
Ka tsy tafandry mandry
Fa manantena sady miandry ny hiaviany
Aïza moa izy izao ô ?
Tsy nampoiziny taminy taloha ny nanjo azy izao
Tsy hoe tsy fankatia fa !
Nony fahasarotan’izay hasa ataony
Mametra-pahatokisana amin’ilay tiany
Manaiky sady mino ilay fitondrasantenany
Mafy ny fitiavana
Maha-njamba aminy ratsy

Oh îé ! oh îé ! Oh îé ! oh îé ! Oh îé ! oh îé ! Oh îé ! oh îé !
Modia e! Oh! Ry tina

Malahelo sady mitomany , mitomany lava
Ka tsy mahita tory
Fa lasa miheritreritra aïza izay nalehany
No tsy tonga amin’izao
Sao dia misy loza
Fa tsy lasan’olon-kafa
Oh! ry ilay malala ! malalany !



Tonony sy feony : Fontaine Paul Marius(Fenoamby)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fenoamby
Vangy : 1063
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/12/2015 23:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727