Tsy maintsy tongako (Fascination)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andao fa ho entiko any ianao
Hijery ilay tanànanay
Fa miorina an-tampon-kavoana izy
Voadidin’alaala no sady mangina koa

Fa làlan-tsarotra tokoa
No diavintsika izao
Ka ho tantanako ianao
Tsy tongan’ny fiarakodia
Fa lalan-kely manjohy miakatra
Ny mankany aminay

Tsy maintsy tongako any ianao
Fa efa izay no tanjoko
’Lay trano bongon’ny fitia no nomaniko
Ho vantaninao any

Ny masoandro efa madiva hilentika
Ka mety ho tratra andro hariva
Ihany izaho sy ianao
Ka raha sendra hatsiaka mamirifiry
Dia mbola eto anilanao aho
Hanome hafanana

Ny atý anie tsy mba sahala
Ilay any aminareo
Mahantra rendrarendra
(Fa tsy mba ory fia)

Tsy maintsy tongako any ianao
Fa efa izay no tanjoko
’Lay trano bongon’ny fitia no nomaniko
Ho vantaninao any
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fascination
Vangy : 35437
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : dodo
Daty : 10/02/2006 14:40
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4359