Noho Ianao (FANIR'SOA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Herin-taona gadona izay
No nandaoza-nao ahy
Tsy nampoiziko hoe ianao
No nahavita toy izao

Ireo teny mamy izay nomenao
Tsy noheveriko izy ireny hoe kilalao
Hay moa dia fitaka avokoa
Ireo nataonao ahy taloha

reffrain:

Malahelo aho,nefa tsy hita izay hatao
Efa nasoloko olona hafa ny toeranao
Na izany aza enao no ato an-tsaiko
Nefa tsy afaka aho,izy no efa nampanantenaiko

Ny antsika aleo ho tantara
Tehirizo ao anaty Diary tsara
Nifankatia nefa tsy anjara
Noho ny fitiavan-tena tsy voarara

Na taratasy iray,tsy nalefanao ahy
Fantatro anao fa tsy mieritreritra ahy
Anao lavitra any no sady ela-be
Donc,izahay roa efa vita fiancé

reffrain: 2 fois
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FANIR'SOA
Vangy : 2384
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jerico
Daty : 11/02/2007 16:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1698