Tam 3 (FAKR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahafaketraka anahy raha ny nataon'ny zalahy iny ahy
Nampandaloviko tany izy e ary kay tsy niboaka tamignao e
Tezitra mafy taminazy ihany aho ka dia nivangovangoko ho'aho
Fotoana manko angahy ny antsika tamin'io nifanafatra aho fa tsy afaka

Vignitra mafy dia mafy ihany aho tamin'iny fotoana iny a
Ny andro manko atsiah efa voatokana ifankahitantsika roa
Sosotra mafy tamin'azy ihany aho ka mbola nivangovangoko ho'aho
Arika aroa ka arika atsia ka tonga tany ianao tam 3

Nalahelo mafy aho no sady niady saina
Nefa tsy afaka ny ho any aminao maro ny antony ie ie
'zaho anie hatramin'izay ka te ho any aminao
Nefa indrisy fa tsy afaka mihitsy
Tsy haiko, tsy aiko sahirana angamba aho, ry tiako
Nefa!! tiako ianao e! Tena tiako ianao
Nefa tiako o! matahotra aho
Sao, sao ilaozanao ity foko tia

Tiana! Ianao no tiako, eny tsapanao izany
Fa kosa, kosa tsy hijanona aho ny hiteny hoe
Hiteny e! hiteny e! ie! ie! e!

Nahafaketraka anahy raha ny nataon'ny zalahy iny a
Nampandaloviko tany izy ary kay tsy niboaka taminao
Tezitra mafy tamin'azy ihany aho ka d nivangovangoko ho'aho
Fotoana manko angahy ny antsika tamin'io nifanafatra aho fa tsy afaka

Nalahelo mafy aho no sady niady saina
Nefa tsy afaka ny ho any aminao maro ny antony ie ie

Arika aroa ka arika atsia ka tonga tany ianao tam 3
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FAKR
Vangy : 1059
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : madaprod
Daty : 11/06/2022 08:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.163