Tsy hanadino (Erico Tseg)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sahiko ny hilaza fa tsy misy hasolo anao
Noho ireo voady niainana sy vita hatramin'izay
Toa tsaroako foana tsy miala ato andoha
'lay fitiavana tsara nampikambana ny fo
Tsy mety manadino
Ty foko ka mba raiso ilay fitia
Raiso ka vimbino
Ty tanako miandry ny fitatanandry
Ireny lasantsika ireny tsy ho voafafako mihintsy
Niezaka aho ny tsy niteny nanakombon ilay fery
Nanakombona ilay fery ei i ei

Refrain:Niezaka aho ny tsy hahatsiaro intsony
Tsy mety ny saiko ny foko tsy mitony
Zay ny aty vao mino fa ianao ilay fitia tsy mety hadino
Fa ianao nao nao
Fa ianao nao nao
Fa ianao nao nao
Fa ianao nao nao

Tsy misy fitiavana tsara noho ireny
Na dia niezaka aza aho ny tsy niteny
Fitiavana mamy tsy mba misy fiafarany
Fa mandrakizay doria ho anao foana
Tsy mety manadino
Foko ka mba raiso ilay fitia
Raiso ka vimbino
Ty tanako miandry ny fitantanandry
Reny lasantsika ireny tsy ho voafafako mihintsy
Niezaka aho ny tsy niteny nanakombona ilay fery
Nanakombona lay fery ei i ei
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Erico Tseg
Vangy : 1709
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : correcting
Daty : 06/09/2015 12:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072