You are here: home > Tononkira > Erico Tseg

Asandratro (Erico Tseg)

Misaotra anao,Tompo tsitoha
nanitsy ny fiainako
nitantana ahy
nandray ny tanako
niaro ahy
tsy mba nandao


Ref : Asandratro ny anaranao
ry Tompo tsitoha mpiaro ahy hatrizay
Jesosy o!
Misaotra anao
ka ny andro sisa iainako
atokako hirako ny anaranao
Jesosy o!
Asandratro ianao
Aoka ny dera sy laza ho anao
saotra sy haja ho anao
ny voahary rehetra anie
hiaraka hanandratra anatononkira.serasera.orgo


Nafoinao ny ainao
Mba hanavotana ahy
noho ny fahotako marobe
ny heloko rehetra
indro fa voafafanao
tamin'ilay ra nalatsakao



Ref : Asandratro ny anaranao
ry Tompo tsitoha mpiaro ahy hatrizay
Jesosy o!
Misaotra anao
ka ny andro sisa iainako
atokako hirako ny anaranao
Jesosy o!
Asandratro ianao
Aoka ny dera sy laza ho anao
saotra sy haja ho anao
ny voahary rehetra anie
hiaraka hanandratra anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Erico Tseg
Mpamaky : 651
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Correcting
Tamin'ny : 03/11/2015 10:39:22
ID : 7864

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo