Tsy ho ahy (Enjana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ka zay le hevitrao de hajaiko sy ekena
Satria ny fitiavana tsy tafa raha toa ka terena
Ny amiko angamba,ny ampitso no hojerena
Ka ny fieritreretako anao,zany aloha ahena
Hamadika pejy, pejy maromaro mba tsy hampifangaro ny saiko aminao
Avelao ato amiko ihany anefa ireto sarin-tsika
Mba ahatsiarovako amin’izay hoe nisy masoandro nibaliaka teo anilanao,
Fa nisy rahona nadrakotra ka aizim-pito no niseho
Ka aleo aloha hatreo
Hitodi-doha,hitodi-doha alavitra tsy hamisavisa intsony
Ny mombamomba anazy satria tsy azoko ny fony
Hiezaka ah ny ho tony
Fa androany fotsiny ihany za no mety hanontany hoe :
Nahoana loatra,mba ilaiko kosa ny antony
Na de fantatro ihany aza,satria za natapiny

Refrain

Ho avadiko ny pejy,ajanoko ny rediredy
Tsy ho ahy ianao ka alefako andeha
Any aoriana any ary ah mety handre
Fa efa faly ianao nahita ilay tokana,hitsiky mora ianao,ahatsiaro ny lasa
Raha ampy anao izay homeny
De ho sambatra ianao,eny
Tsy maninona ah raha very
Tsy tokony hiaraka angamba isika,asa,mety izay ilay tantana
Hoe tsika tsy iray lakana
Tsy hiray lalana fa samy hanana ny azy
Za androany mety ho kivy fa radem ah courage
Kôzy,ho adinoiko tsikelikely, ho dorako ho lavenona
Ary mba hillevona hiaraka amin’ny tany na dia tany ho any
Aza somary nitomany
Ka tsy mety ho lany ny ranomasoko ato am-po
Ho avelako amin’izay,za tsy hitsiriritra intsony
Ka za ho tony
Raha hisy anantona aoka lony
Satria za nikôzy taminy hoe domy
De voadonany ary ah ka ataoko akory
Za tsy akoho ka hitazona ny lambako
Fa hovaiko ko indraindray,ho adinoiko ianao rahavako

Refrain

Ho avadiko ny pejy,ajanoko ny rediredy
Tsy ho ahy ianao ka alefako andeha
Any aoriana any ary ah mety handre
Fa efa faly ianao nahita ilay tokana,hitsiky mora ianao,ahatsiaro ny lasa
Ka amin’izay ianao ho faly
Fa sur ah fa harary
Na iray segaondra ihany
Tsapanao angamba izany
Ireo fotoana lany
Tsy maintsy natao toy ny tsy misy
Ohatry ny minitra vitsy
Anefa toa volana sy taona maromaro
No nifangaro ary feno kalokalo
Nandravaka ny fotoana
Mitohana aho fa kenda
Raha sendra hitanareo
Fa za tsy hanambara,be loatra mantsy ny nolazaiko
Ka aleo tsy ho toizina intsony, sao ho lasa atramin’ny aiko
Tsy haiko

Refrain

Ho avadiko ny pejy,ajanoko ny rediredy
Tsy ho ahy ianao ka alefako andeha
Any aoriana any ary ah mety handre
Fa hoe efa faly ianao nahita ilay tokana,hitsiky mora ianao,ahatsiaro ny lasa
Ho sambatra ianao eo anilany,nareo roa hiaraka
Ka ho mandrakizay tsy ho tafasaraka
De ny sarinao any aminy,ny azy ny sarinareo roa
Aoka mba ho tsy fantatrao koa
Izany fijaliako izany,satria ny anao efa poins
De mamela ahy hi pince
De akatony moramora io varavarana io
Handatsa-dranomaso ah,tsy hiresaka amin’izan’iza anio

Refrain

Ho avadiko ny pejy,ajanoko ny rediredy
Tsy ho ahy ianao ka alefako andeha
Any aoriana any ary ah mety handre
Fa efa faly ianao nahita ilay tokana,hitsiky mora ianao,ahatsiaro ny lasa
Raha ampy anao izay homeny
De ho sambatra ianao,eny
Tsy maninona ah raha very
Amin’izay ianao ho faly
Fa sur ah fa harary
Na iray segaondra ihany
Tsapanao angamba izany
Ireo fotoana lany
Toa,mande
TSY HO AHY
Enjana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Enjana
Hits : 2352
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 03/05/2017 10:48
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112