Any andro any (Enjana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any andro any, indray andro any
Andro voalohany,nolazaiko fa tiako izy,nolaviny anefa
Tsy nampoziko ny valin-teniny ka naleoko nilefa
Na efa fantapatako ihany aza ny ao an tsainy
De no tente-ko ihany satria…tsy hay
Andro faha2, toa mbola adala ilay fo
Mila miresaka aminy fa toa voa
Voadona,voatifitra
Tsy sahy hiresaka aminy anefa fa toa misitrika
Andro faha 3,mamaly message izy,tsy vitako tsony ny hamaky
Tamin’izy niteny hoe tsia, za efa saika nitapy
Nanenenako ny nandany fotoana maro
Nenina sy alahelo mandrapahatongan’ny andro faha 8
Andro faha 9,efa nisy ny akama nikôzy hooe tsy quoi fa amin’ny manaraka manarina
Raha lavo ela androany radem ndray miarina
Satria mila fantarina,mba mahaiza koa tsy tiana
Andro faha 10,naleoko mintsy lo nangiana
Refrain
Any andro any,indray andro any
Mbola misy ny natao ho ahy
Any andro any,indray andro any
Mbola ho eo izy
Andro faha 11,mandeha ndray le fatina hira ahatsiarovako azy
Tamin’izany za mbola tsy nijery ny hoavy
Za nefa efa tia,fa tsy mba norarahiany
Ka le radio tao anaty bus efa saika notorahiko ny vato
Andro faha 12, efa mba miempo ny ato anaty
Mnadino kely mantsy
Toa efa mba nanomboka namboatra saina
Ny habitude efa novaina
20 andro mantsy,toa lasa tsy nalaina
Lasa toy ny olona rehetra :manomboka miaina
Tapaka ny hevito,andro faha 21
Marina le kozy hoe izy mbola voasolo
Ka ny faha 22 za nanala,nanala eritreritra
Toa nadio ihany ny saiko efa saika sempotra
Andro faha 23,niverina nilamina sady nampionon-tena
Hoe tena tsy ho ahy angamba izy
Fa mba nahajamba
Noheveriko fa izy ilay ahafeno ilay banga
Ny hoaviko rahampitso efa hitako manangasanga
Refrain
Any andro any,indray andro any
Mbola misy ny natao ho ahy
Any andro any,indray andro any
Andro faha 25,inona indray ty sary mamonololo
Toa tampoka tamiko,tsy nampoiziko ny azy roa
Teto ah vao tena voatifitra,voadona,voa
Tsy nahita tory nandritra ny telo andro
Kanjo,andro faha 28,nofafaiko ny momba azy
Norovitiko ireo sariny ato amiko
Tsy laniko an-tsaina ny mahita azy ireo
Andro faha 30,tsy mahita tory ny alina,malaina ny hifoha
Satria,…volana voaloha,nilazako fa tiako izy,nolaviny anefa
Refrain
Any andro any,indray andro any
Mbola misy ny natao ho ahy
Any andro any,indray andro any
Enjana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Enjana
Hits : 1895
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 03/05/2017 10:46
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127