Hiverina (Elien)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapanao ve ny alahelo ?
Hitanao izaho nitomany ?
Iza no hitarainako raha tsy aminao irery ihany
Efa very aho ka hita indray,
Efa resy aho ka miantso anao Ray
Oh Ray...
Anaty lavaka aho, mitabataba miantso Anao
Mitomany lava ny fiainako e
Haizina foana no iainako e
Tsy mba nitodika taminao aho fa variana tamin'izao tontolo izao
Anaty ady aho vao mahalala miantso Anao

Réf:
Oh oh oh
Raha tsy nianjera aho tsy nahalala ny hiverina
Oh oh oh
Efa anaty ady aho vao mahalala miantso Anao

Miverina ao an-tsaiko ireo anatra hatrizay
Ireo teninao nitaizana ny fanahy
Hiverina Aminao aho fa ampy angamba izay
Fa ny miaina Aminao no mahavonjy ny fanahy
Hilaozako avokoa ireo ditrako taloha
Omeo fo vaovao afaka hitoeranao
Hiverina aho

Réf:
Oh oh oh
Raha tsy nianjera aho tsy nahalala ny hiverina
Oh oh oh
Efa anaty ady aho vao mahalala miantso Anao

Bridge :
Hiverina aho
Oh ou ou
Hiverina aho
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Elien
Hits : 416
Likes : 1 Like
Created by : RHEG
Date : 04/06/2025 07:29
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3173