Mood hoe (Donna VMR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ndao mody atao hoe... mba mitalaho e

Ndao mody atao hoe izaho ilay anjaranao
Dia mahazo mahatoky aho f'efa manana anao
Ndao hanonofy hoe tsisy elanelana
Ilay fitia tsy maty fa vao namelana
Ndao mody atao hoe izaho irery no tianao
Dia ndao mba lazaina hoe izaho no aretinao
Hoe lasa ambiroa ianao fa tsy anilako
Ka tsy afaka hitia intsony ao arinako

Ndao mody atao hoe ... mba mitalaho e ! (*2)

Fa nofy ratsy ihany ianao ilay tsy afa-po
Dia mbola eo ihany ianao rehefa izaho mifoha
Ndao mba fafana ireny fahadisoako
Dia lasa tamana ianao tsy niova loko
Dia angano² ireny ratram-poko
Fa pejy efa niova ianao nefa tsy foiko

Ndao mody atao hoe ... mba mitalaho e!

Ndao mody ho jamba tsy hahita olon-kafa
Dia ndao mody ho moana tsy hahay hifandatsa
Na efa tsy ao aza ilay afo nanainga e
Ndao mody andainga e
Ndao hikipiana ireny ditraditra
Dia ho hitanao indray ilay izaho mipitra²
Fa satriko ho averina ireo fotoana mamy e
Kanefa ny fonao efa lasa any ho any e
Sao mba nitaraina ianao fa mbola eo ihany
Sao mba naka saina ianao fa tsy leo izany

Ndao mody atao hoe ... mba mitalaho e!

Ny lasa rakofy
Dia tohizo ilay nofy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Donna VMR
Vangy : 158
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nathiie
Daty : 20/01/2024 11:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723