Tsy mbola tena tia (DADAVY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tato an-tsaiko dia ianao sarotiny
nantenaiko ho anjarako eto an-tany
hay va re tany ambadika tany
misy ihany olon-kafa iarahanao

Tsy mbola tena tia ianao
Matoa sahy manao izao
Rehefa tena tia anie
Mifampatoky tsara e

Tsy mbola tena tia ianao
Matoa sahy manao izao
Rehefa tena tia anie
Eee, mifampatoky tsara e

Izaho koa tsy dia sarotiny
Raha izany no sitrakao fa mety
Ny tomany no fadiako tanteraka
Ny toloko tsy hataoko handreraka ahy

Tsy mbola tena tiako ianao
Matoa tsy mitomany aho
Rehefa tena tia anie
Latsa-dranomaso be

Tsy mbola tena tiako ianao
Matoa tsy mitomany aho
Rehefa tena tia anie
Eee, latsa-dranomaso be

Telo taona lasa izay ianareo roa
No niainga hiara-dia hoe ho doria
Kanjo izao sahady dia hiady
Izao ianao mitaraina fa horoahiny

Tsy mbola tena tiany ianao
Matoa ataony toy izao
Rehefa tena tia anie
Mifandefitra hatrany e

Tsy mbola tena tiany ianao
Matoa ataony toy izao
Rehefa tena tia anie
Eee, mifandefitra hatrany e

David Jean
--------
Rohy:
Hevitra
azteca ( 27/01/2020 11:04)
Dadavy zany no tena tompon'ity hira ity sa Nonot Robel e?
fanina ny tenanay!
..
fa na izany na tsy izany, tsara ilay hira,
mbola tena tsara koa ny nihiran'i Dadavy azy!
Mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : DADAVY
Vangy : 3041
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lemenakely
Daty : 19/06/2006 20:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721