You are here: home > Tononkira > dadah sy fafah

Tsy misy ny doria (dadah sy fafah)

???? TSY MISY NY DORIA - MAHALEO ??

Hiara-hiaina ny andro androany
ho toy ny andro farany
Hiara-higoka izay mety ho mamy
Mandrapahalefin’ ny tarany
Ny maso hikipy tsy hahita
ho tapitra ny fofonaina
ho hanenenana izay tsy vita
fa any ankoatra tsy ho hilaina

Refrain:
Satria ny vintana sy anjara
no mamaritra ny dia
rahampitso ny lalanTsiky dia ampytsika mety hizara
satria tsy misy ny doria
Ny vintana sy lahatra
mety hamingana ny dia
Ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra
Satria tsy misy ny doria

Ny ampitso fanontaniana
Mety ho vatana hangatsiaka
handeha hioty izay zava-tiana
Dieny mbola masoandro baliaka
Isaky ny andro izay mifoha
Mety ho farany io ka tadidio
Ataovy andro feno soa
Ho fahataperana ny anio

Mpihira : dadah sy fafah
Mpamaky : 105
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : RyHope
Tamin'ny : 31/07/2022 05:20:38
ID : 14417

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo