Tandrify tànana (D'yem)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manambola aman-karena ianao dia mihevitra hoe tafa
Tsy te hahalala intsony izay manjo ny hafa
Tsy hita intsony izay hizorana fa ianao nantenaina lasa biby fatahorana
Tanan-kavia sy havanana anie izay didina maharary
Aza ahilika ny tsy manana fa matahora ianao an-janahary
Oiee !! ooohaa !! mba matahora ianao an-janahary fa

Androany ianao no ambony re !
Rahampitso mety ho ambany
Kodiaran-tsarety ny fiainana eto indraindray mampisento
Mandia tany ianao mety hianjera
Ary koa mety ho lena
Aza miondana fitiavan-tena

Te hanantena fiainana vaovao izy ambony kalitao e ! otrnah sy ianao
Te hanantena izy, tsy vitan’ny hoe maniry fa isan’andro mikiry hiala anatin’ny hirifiry anefa
Nohon’ny hetraketrakao dia sasatry ny miharina
Nohon’ny volanao nanjary takona ny marina
Nanantena izy ny hiantso anao malala, ny fony lasa adala
Nabotsinao ny kibony dia iny ianao no niala
Te hanantena izy, na potraka aza omaly
Na dia fafiny ho anareo aza ny mahita azy mijaly
Te hanantena izy ary izao no hantitrateriny
Ny tody hono tsy misy fa ny ataonao mbola hiverina

Androany ianao no ambony re !
Rahampitso mety ho ambany
Kodiaran-tsarety ny fiainana eto indraindray mampisento
Mandia tany ianao mety hianjera
Ary koa mety ho lena
Aza miondana fitiavan-tena

Raha ny vola no entina hampitondra sento oh !
Raha ny harena no atakalo fo mitempo oh !
Aleo ihany tsy misy fa tsy manahy
Ny vola mety ho rovitra fa tsy ohatrin’ny fanahy
Fa trano atsimo sy avaratra anie e !
Izay tsy mahalena no hialofana a !
Aza masiaka toy ny varatra, ny nofonao io anie ka mbola ho totofana
An ! an ! nofonao io anie ka mbola ho totofana

Androany ianao no ambony re !
Rahampitso mety ho ambany
Kodiaran-tsarety ny fiainana eto indraindray mampisento
Mandia tany ianao mety hianjera
Ary koa mety ho lena
Aza miondana fitiavan-tena


Tonony sy feony : Skual RAKOTONIRINA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : D'yem
Vangy : 3393
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/10/2016 10:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1985